Hetsiky ny tanora sy ny fihoaram-pefy

Nampidirin'i razamble | 18 Apr, 2009

Tsy vao tamin'ity taona ity akory ny tanora Malagasy sasany no nanao hetsika mahery vaika. Efa nisy izany Zoam izany. Tao koa ireo Jomaka Ampamarinana. Tsy zoviana amintsika ireo Tanora Tonga Saina. Tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna farany teo indray no nitrangan'ny Tanora Gasy Vonona izay nanohy ny hetsiny tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana. Raha bangoana dia toa fihoaram-pefy hatrany no mampalaza ireo tanora Malagasy maro ireo. Raha tsy hilaza afa-tsy ny hetsiky ny tanora farany teo isika, izay marihina fa nahitana fandoran'olona velona tany amin'ny magazay, orinasa, radiom-pirenena sns dia tsapa fa ny herisetra no iraisan'ireo tanora nifandimby teto anivon-tany ireny. Betsaka amin'izy ireny koa anefa no tsy dia lasa lavitra tamin'ny fianarana ka mampiasa herisetra ho fitaovana hahafahana mandresy lahatra. Izany indrindra no mampanontany tena hoe tokony hampidirina amin'ny fandaharam-pianarana ambaratonga fototra ve ny antsoina hoe demokrasia sy fanarahan-dalàna ?

Razamble